Razana
Ny razana, amin' ny heviny ankapobeny, dia ny ray aman-drenin' ny ray aman-dreny sy ny ray aman-drenin' iretsy farany sy ny ray aman-dreny talohan' iretsy farany indray, ka miroso toy izany hatranihatrany, izany hoe izay rehetra nitaranaka na namela lova ara-pomba amin' ny taranaka aty aoriana. Izany maha ray aman-dreny na taranaka izay dia mety ho ara-piterahana tokoa na ara-tandindona fotsiny. Raha ara-piterahana ny maha razana dia lazaina fa manam-pifandraisana ara-tarazo ny olona roa raha razan' ny voalohany ny faharoa, na raha manana razana iraisana izy ireo.
Misy ny vahoaka na foko manome fanajana manokana ny razana, na ny mbola velona izany na ny efa maty. Ny vahoaka na foko sasany indray dia tena mivavaka amin' ny razana na manompo ny razana mba hahazo fitahiana.
Ny teny hoe razana
[hanova | hanova ny fango]Raha raisina amin' ny maha teny malagasy azy ny hoe razana dia maro hevitra ka ireto ny sasany amin' izany:
- ireo izay nitaranaka ny maro taty aoriana, "ny ray aman-dreny niaviana fahagola"[1];
- ny olona maty;
- ny fanahin' ny olona maty.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Régis Rajemisa-Raolisona, "Razana" in Rakibolana malagasy, 1985.